Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 22:12-29 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary hoy Andriamanitra tamin'i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.

13. Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin'ireo andriandahin'i Balaka hoe: Andeha mody any amin'ny taninareo; fa tsy avelan'i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.

14. Ary niainga ireo andriandahin'i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.

15. Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.

16. Dia tonga tao amin'i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Balaka, zanak'i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;

17. fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.

18. Fa namaly Balama ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balaka hoe: Na dia homen'i Balaka volafotsy sy volemana eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin'i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.

19. Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain'i Jehovah amiko koa.

20. Ary nony alina dia nankao amin'i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan'ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.

21. Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin'ireo andriandahin'i Moaba.

22. Ary nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.

23. Dia hitan'ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.

24. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan'ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.

25. Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin'i Jehovah, dia niampify teo amin'ny fefy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.

26. Ary mbola nandroso Ilay Anjelin'i Jehovah ka nijanona teo amin'ny fitoerana èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.

27. Ary ny boriky nahita ilay Anjelin'i Jehovah, dia nandry teo ambanin'i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran'i Balama ka nikapoka ny boriky tamin'ny tehina izy.

28. Dia nosokafan'i Jehovah ny vavan'ny boriky, ka hoy ny boriky tamin'i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?

29. Dia hoy Balama tamin'ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.

Vakio ny toko manontolo Nomery 22