Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 18:12-30 Malagasy Bible (MG1865)

12. Izay rehetra tsara indrindra amin'ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an'i Jehovah, dia efa nomeko anao.

13. Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ny taniny, izay hateriny ho an'i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin'ny ankohonanao no mahazo mihinana azy.

14. Ny zavatra rehetra voatokana amin'ny Isiraely dia ho anao.

15. Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an'i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.

16. Ary ny amin'ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany).

17. Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masina ireny; ny ràny dia hatopinao amin'ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

18. Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.

19. Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin'ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely ho an'i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan'i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa.

20. Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin'ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin'ny Zanak'Isiraely.

21. Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana.

22. Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak'Isiraely, fandrao meloka izy ka maty.

23. Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.

24. Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.

25. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

26. Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.

27. Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana.

28. Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin'ny Zanak'Isiraely; ary avy amin'izany no hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho an'i Arona mpisorona.

29. Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.

30. Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an'ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana izany.

Vakio ny toko manontolo Nomery 18