Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 3:12-17 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak'i Halohesy, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.

13. Ny vavahady mankamin'ny lohasaha dia namboarin'i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin'ny manda hatramin'ny vavahadin-jezika.

14. Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin'i Malkia, zanak'i Rekaba, komandin'ny fehin'i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny.

15. Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin'i Saloma, zanak'i Kola-hoze, komandin'ny fehin'i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin'ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan'ny farihy Siloa, teo anilan'ny sahan'ny mpanjaka, ka hatramin'ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan'i Davida.

16. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak'i Azboka, komandin'ny antsasaky ny fehin'i Beti-zora, hatramin'ny teo amin'ny tandrifin'ireo fasan'i Davida ka hatramin'ny farihy izay natao ary hatramin'ny tranon'ny lehilahy mahery.

17. Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 3