Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 16:20-29 Malagasy Bible (MG1865)

20. Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.

21. Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.

22. Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.

23. Ary nivory ireo andrianan'ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.

24. Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika.

25. Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an'i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan'ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan'ny andry izy.

26. Ary hoy Samsona tamin'ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy.

27. Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an'i Samsona nanao laolao.

28. Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa.

29. Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 16