Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Mpitsara 10:9-18 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.

10. Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.

11. Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho?

12. Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny tànany.

13. Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.

14. Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo.

15. Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.

16. Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely.

17. Dia nivory ny taranak'i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tany Mizpa.

18. Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.

Vakio ny toko manontolo Mpitsara 10