Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 22:8-26 Malagasy Bible (MG1865)

8. Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.

9. Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin'ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasina azy.

10. Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina; na izay mivahiny ao amin'ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.

11. Fa raha misy olona novidin'ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin'izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin'ny fihinan'ny mpisorona koa.

12. Ary raha misy zanakavavin'ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin'ny fanatitra avy amin'ny zava-masina izy.

13. Fa raha misy zanakavavin'ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.

14. Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin'ny zava-masina, dia honerany ny zava-masina ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina:

15. Ary aoka tsy hisy hametaveta ny zava-masin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'i Jehovah,

16. na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

17. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

18. Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny zanak'Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo amin'ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an'i Jehovah ho fanatitra dorana,

19. dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak'ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.

20. Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.

21. Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.

22. Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an'i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin'ny afo eo ambonin'ny alitara ho an'i Jehovah.

23. Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.

24. Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an'i Jehovah; ary aza manao izany eo amin'ny taninareo.

25. Ary raha misy entin'olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin'Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.

26. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 22