Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 14:34-48 Malagasy Bible (MG1865)

34. Rehefa tonga any amin'ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin'ny tany fanananareo,

35. dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin'ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin'ny tranoko.

36. Dia hasain'ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan'ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;

37. ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin'ny rindrin'ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin'ny rindrin-trano no fijeriny azy,

38. dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.

39. Ary hiverina ny mpisorona amin'ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin'ny rindrin'ny trano izy,

40. dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto eo ivelan'ny tanàna;

41. dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian'ny olona amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.

42. Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.

43. Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin'ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,

44. ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin'ny trano izany, ka dia maloto izy.

45. Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin'izay fitoerana maloto eny ivelan'ny tanàna.

46. Ary izay miditra ao amin'izany trano izany amin'ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan'ny andro;

47. ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.

48. Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon'ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 14