Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 14:10-20 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary amin'ny andro fahavalo dia haka zanak'ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak'ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.

11. Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;

12. dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.

13. Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany.

14. Dia hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,

15. ary ny diloilo iray loga dia hangalan'ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;

16. dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin'ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah.

17. ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan'ny mpisorona ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin'ilay nasiana ny ran'ny fanati-panonerana;

18. ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan'ny mpisorona dia hataony amin'ny lohan'ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah ny mpisorona.

19. Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;

20. ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin'ny alitara ka hanao fanavotana ho an'ilay olona hodiovina, dia hadio izy.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 14