Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Levitikosy 13:44-59 Malagasy Bible (MG1865)

44. dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon'ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin'ny lohany ny aretina.

45. Ary ny amin'izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!

46. Amin'ny andro rehetra izay haharariany amin'izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan'ny toby no itoerany.

47. Amin'ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon'ondry, na fitafiana rongony,

48. sy izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon'ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra,

49. raha maitsomaitso na menamena eo amin'ny fitafiana ny aretina, na eo amin'ny hoditra, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin'ny mpisorona.

50. Ary hozahan'ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.

51. Ary raha zahany ny aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.

52. Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na volon'ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin'ny afo.

53. Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin'ny fitafiana, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra,

54. dia hasain'mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;

55. ary rehefa voasasa izy, dia hozahan'ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin'ny afo; aretina mafy izany, na amin'ny atiny, na amin'ny ivelany.

56. Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin'ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny hoditra, na ho afaka amin'ny tenany, na izay ho fahany.

57. Ary raha mbola misy miseho eo amin'ny fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin'ny afo izay misy izany.

58. Ary ny fitafiana, na izay ho an'ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin'ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.

59. Izany no lalàna ny amin'ny habokana eo amin'ny fitafiana volon'ondry na rongony, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.

Vakio ny toko manontolo Levitikosy 13