Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 22:15-20 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia tonga tany amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany amin'ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:

16. Izao no lazain'ny fiangonan'i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin'Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo androany tamin'ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?

17. Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin'i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin'izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin'ny fiangonan'i Jehovah,

18. no dia mihodina miala amin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin'i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.

19. Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin'ny tanin'i Jehovah, izay itoeran'ny tabernakelin'i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin'i Jehovah, na miodina aminay, amin'ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika.

20. Tsy nandika ny didy va Akana, zanak'i Zera, tamin'ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin'izany helony izany.

Vakio ny toko manontolo Josoa 22