Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Josoa 17:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nahazo zara-tany tamin'ny filokana koa ny firenen'i Manase (fa izy no lahimatoan'i Josefa), dia Makira, lahimatoan'i Manase, rain'i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an'i Gileada sy Basana.

2. Ary nisy koa ho an'ny taranak'i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an'ny taranak'i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin'i Manase, zanak'i Josefa, araka ny fokony.

3. Fa Zelofada, zanak'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Matira, zanak'i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran'ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.

4. Dia nanatona teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an'i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin'ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin'ny rahalahin-drainy izy araka ny didin'i Jehovah.

5. Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izaY any an-dafin'i Jordana,

6. satria ny zanakavavin'i Manase niara-nahazo lova tamin'ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an'ny zanakalahin'i Manase sisa.

7. Ary ny fari-tanin'i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin'i Sekema, dia nandroso tamin'ny ankavanana hatramin'ny mponina any En-tapoa.

8. Ary an'i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin'ny fari-tanin'i Manase, dia an'ny taranak'i Efraima.

9. Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon'ny lohasahan-driak'i Kana; ireo tanana teo amin'ny tanànan'i Manase ireo dia an'i Efraima; ary ny faritanin,i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.

Vakio ny toko manontolo Josoa 17