Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 32:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara.

2. Fa tamin'izany no nanaovan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan'ny trano fiambenana, izay teo amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda.

3. Fa Zedekia, mpanjakan'ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;

4. ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan'ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;

Vakio ny toko manontolo Jeremia 32