Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 30:6-17 Malagasy Bible (MG1865)

6. Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin'ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?

7. Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an'i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin'izany ihany izy.

8. Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;

9. Fa ianao hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao.

10. Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin'ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

11. Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.

12. Fa izao no lazain'i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.

13. Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin'ny ferinao ianao.

14. Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin'ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan'ny lozabe, noho ny habetsahan'ny helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao.

15. Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan'ny helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao no nanaovako izany taminao.

16. Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.

17. Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 30