Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 19:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona,

2. dia mivoaha ho any amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,

3. ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin'ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny

4. satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an'andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan'ny Joda, sady efa nameno ran'ny marina ity tanàna ity

5. ary nanorina ny fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.

6. Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.

7. Ary hofoanako amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.

8. Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.

9. Ary hampihinaniko ny nofon'ny zananilahy sy ny nofon'ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon'ny namany avy izy eo amin'ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren'ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 19