Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 16:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ho fatin'ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin'ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.

5. Fa izao no lazain'i Jehovah: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin'ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.

6. Ho faty na ny lehibe na ny kely amin'ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na hitetehan'ny sasany tena, na hiboriany;

7. Ary tsy hisy hamahan-kanina azy amin'ny fisaonany, mba hampionona azy ny amin'ny maty; Ary tsy hisy hampisotro azy amin'ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny reniny;

8. Ary aza miditra ao amin'ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro.

9. Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina.

10. Ary raha ambaranao amin'ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin'i Jehovah Andriamanitray?

11. dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, sy ny nanarahany andriamani-kafa sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 16