Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 60:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.

4. Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.

5. Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.

6. Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly hambarany.

7. Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.

8. Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?

9. Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.

10. Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,

Vakio ny toko manontolo Isaia 60