Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 48:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen'Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy : Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.

10. Ary efa pahina ny mason'Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.

11. Dia hoy Isiraely tamin'i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.

12. Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka tamin'ny tany izy.

13. Dia notantanan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy.

14. Dia nahinjitr'Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.

15. Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,

16. ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 48