Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 40:11-23 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.

12. Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.

13. Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin'ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.

14. Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity;

15. fa nangalarina mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.

16. Ary rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin'i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;

17. ary teo anatin'ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan'i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon'ny mpanao mofo; ary nohanin'ny vorona teo anatin'ny karaba izay nololohaviko izany.

18. Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.

19. Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin'ny hazo ianao) dia hohanin'ny vorona ny nofonao.

20. Ary tamin'ny andro fahatelo, izay niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony.

21. Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin'ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan'i Farao izy;

22. fa ny lehiben'ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain'i Josefa tamin'izy roa lahy avy.

23. Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 40