Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 34:18-28 Malagasy Bible (MG1865)

18. Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.

19. Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy.

20. Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:

21. Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.

22. Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.

23. Tsy ho antsika va ny omby aman'ondriny sy ny fananany mbamin'ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.

24. Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany.

25. Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.

26. Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i Dina tao an-tranon'i Sekema izy ka lasa nandeha.

27. Ary ny zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.

28. Ny ondry aman'osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin'izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;

Vakio ny toko manontolo Genesisy 34