1. Dia nivoaka Dina, zanakavavin'i Lea, izay naterany tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
2. Ary nahita azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
3. Ary ny fony dia raiki-pitia tamin'i Dina, zanakavavin'i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
4. Ary Sekema dia niteny tamin'i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
5. Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
6. Dia nivoaka Hamora, rain'i Sekema, nankany amin'i Jakoba hidinika taminy.
7. Ary ny zanak'i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely noho ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
8. Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.
9. Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,
10. Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany ianareo.
11. Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;
12. na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
13. Ary ny zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an'i Dina anabaviny;
14. ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
15. Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,
16. dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
17. Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.
18. Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.