Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Fitomaniana 2:11-21 Malagasy Bible (MG1865)

11. Pahina ny masoko azon'ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin'ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.

12. Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay?

13. Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?

14. Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.

15. Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian'ny tany rehetra ?

16. Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.

17. Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin'ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.

18. Ny fonao mitaraina amin'ny Tompo: Ry mandan'i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman'alina toy ny riaka; Aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.

19. Mitsangàna, miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay anan'ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.

20. Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin'ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin'ny fitoera-masin'i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany ?

21. Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.

Vakio ny toko manontolo Fitomaniana 2