Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 9:3-11 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.

4. Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.

5. Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,

6. Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.

7. Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.

8. Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?

9. Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.

10. Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.

11. Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 9