Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 33:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin'ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,

3. ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,

4. nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon'ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.

5. Nandre ny feon'ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.

6. Fa raha hitan'ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin'ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin'ny tànan'ilay mpitily.

7. Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.

8. Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin'ny tananao.

9. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 33