Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 26:16-21 Malagasy Bible (MG1865)

16. Dia hidina hiala amin'ny seza fiandrianany ireo andrianan'ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin'ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.

17. Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan'ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin'ny ranomasina, dia izy mbamin'ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!

18. Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin'ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.

19. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna haolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan'ny rano be ianao,

20. Dia hampidiniko hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin'ny razana, ka hamponeniko any ambanin'ny tany ianao, dia any amin'ny fonenana efa lao hatramin'ny ela, hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin'ny velona;

21. Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 26