Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 17:8-20 Malagasy Bible (MG1865)

8. Voavoly tao amin'ny saha tsara teo amoron'ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.

9. Ataovinao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny fakany intsony.

10. Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian'ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin'ny tany voafaritra naniriany izy.

11. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

12. Lazao amin'ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr'ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.

13. Ary naka ny anankiray tamin'ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin'ny tany dia nentiny nandeha,

14. mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.

15. Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?

16. Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin'ny tanin'ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin'io, any Babylona, no hahafatesany.

17. Ary amin'ny hanandratan'ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin'ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.

18. Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.

19. Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.

20. Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 17