Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 16:48-63 Malagasy Bible (MG1865)

48. Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao-vavy.

49. Indro, izao no helok'i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin'ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.

50. Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra azy.

51. Ary tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataon'i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin'ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.

52. Hianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.

53. Ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny zananivavy mbamin'izay olonao voababo,

54. mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin'ny hampiononanao azy.

55. Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin'ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin'ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin'ny toetrareo taloha koa.

56. Nefa tsy mbola mba notononin'ny vavanao akory ny nanjo an'i Sodoma rahavavinao tamin'ny andro niavonavonanao,

57. fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin'ny andro nandatsan'ny zanakavavin'i Syria sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin'ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.

58. Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.

59. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.

60. Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.

61. Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan'ilay nanaovako fanekena taminao aza.

62. Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,

63. mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 16