Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 14:16-23 Malagasy Bible (MG1865)

16. na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.

17. Ary raha mitondra sabatra mamely izany tany izany Aho ka manao hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany, ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby,

18. na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy.

19. Ary raha mandefa ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako, dia amin'ny fandatsahan-drà mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,

20. na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.

21. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an'i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!

22. Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin'ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin'i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.

23. Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 14