Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Estera 3:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan'ny an'ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.

2. Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.

3. Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?

4. Nefa na dia niteny taminy isan'andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain'Ireo tamin'i Hamana, mba hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy.

5. Ary rehefa hitan'i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.

6. Ary nataon'i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an'i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen'i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen'i Mordekay.

Vakio ny toko manontolo Estera 3