Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 38:2-10 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary nanao ny tandrony teo amin'ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.

3. Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron'afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran'afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.

4. Ary nanao makarakara vara­hina tahaka ny harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny alitara ka hatreo amin'ny fisasahany.

5. Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin'ny makarakara varahina izy ho fitoeran'ny bao.

6. Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.

7. Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.

8. Ary ny tavy varahina sy ny faladiany vara­hina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

9. Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;

10. ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany vara­hina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 38