Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 36:24-37 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo hiorenan'ny lahiny roa.

25. Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.

26. Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo.

27. Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin'ny lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.

28. Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.

29. Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.

30. Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.

31. Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,

32. sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.

33. Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan'ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.

34. Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.

35. Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.

36. Ary nanao andry efatra tamin'ny hazo akasia izy hihantonan'izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy'hiorenany.

37. Ary nanao varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 36