Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 33:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, ho amin'ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.

2. Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),

3. dia ho amin'izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.

4. Ary rehefa ren'ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.

5. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.

6. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.

7. Ary fanaon'i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan'ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an'i Jehovah dia nivoaka ho eny amin'ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan'ny toby.

8. Ary raha nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy, dia nitazana an'i Mosesy mandra-pahatongany ao amin'ny lay.

9. Ary raha niditra tao amin'ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin'i Mosesy.

10. Ary hitan'ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 33