Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 29:14-27 Malagasy Bible (MG1865)

14. fa ny henan'ny vantotr'ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin'ny afo eny ivelan'ny toby; fanatitra noho ny ota izany.

15. Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;

16. dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara;

17. ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin'ny voarasa sy ny lohany;

18. ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

19. Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;

20. dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona sy amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary amin'ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara

21. Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa.

22. Ary alao ny saboran'ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;

23. ary manala iray amin'ny mofo sy iray amin'ny mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo manify izay eo amin'ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan'i Jehovah;

24. ary ataovy eo an-tànan'i Arona sy eo an-tànan'ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.

25. Dia raiso amin'ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo, ho an'i Jehovah.

26. Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.

27. Ary hamasino ny tratran'ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin'ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an'i Arona sy izay ho an'ny zanany.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 29