Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 28:4-22 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.

5. Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.

6. Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.

7. Aoka hisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambana azy.

8. Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.

9. Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran'ny Zanak'Isiraely:

10. ny anarany enina amin'ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin'ny vato iray, araka ny fizokiany;

11. amin'ny asan'ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,

12. Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.

13. Ary manaova randram-bolamena

14. sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin'ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.

15. Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.

16. Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.

17. Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;

18. ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;

19. ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;

20. ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.

21. Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase, ho amin'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.

22. Ary eo amin'ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 28