Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 19:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay.

2. Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin'ny efitr'i Sinay, dia nitoby teo amin'ny efitra; dia tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'ny Isiraely teo.

3. Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely:

4. Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.

5. Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.

6. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.

7. Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy.

8. Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.

9. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 19