Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 14:15-29 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso.

16. Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely.

17. Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,

18. dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.

19. Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany

20. ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.

21. Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.

22. Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.

23. Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.

24. Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana.

25. Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo.

26. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.

27. Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana.

28. Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

29. Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 14