Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 29:18-22 Malagasy Bible (MG1865)

18. ary raha ren'izany olona izany ny tenin'ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin'ny mangetaheta.

19. Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'i Jehovah tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anarany.

20. Dia hosarahin'i Jehovah amin'ny firenen'Isiraely rehetra ho amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity.

21. Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin'ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin'ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan'i Jehovah azy

22. fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan'i Jehovah tamin'ny fahavinirany sy ny fahatezerany

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 29