Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Deotoronomia 1:26-33 Malagasy Bible (MG1865)

26. Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.

27. Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan'i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan'ny Amorita handringanana antsika.

28. Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.

29. Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;

30. Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,

31. ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity.

32. Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo,

33. Izay nandeha tamin'ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.

Vakio ny toko manontolo Deotoronomia 1