Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Daniela 11:31-44 Malagasy Bible (MG1865)

31. Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan'andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.

32. Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatò azy.

33. Ary izay hendry ao amin'ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.

34. Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny fihatsaram-belatsihy.

35. Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany.

36. Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.

37. Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.

38. Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.

39. Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.

40. Ary amin'ny faran'ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin'ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.

41. Hiditra ao amin'ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona.

42. Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.

43. Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.

44. Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.

Vakio ny toko manontolo Daniela 11