Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 9:9-22 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka.

10. Ary ny mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.

11. Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka ambaratonga mankamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin'ny tanin'ny Joda.

12. Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin'ny nentiny ho an'ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.

13. Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,

14. afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.

15. Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.

16. Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona lreo.

17. Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara.

18. Nisy ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana;

19. ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.

20. Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.

21. Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.

22. Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 9