Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 5:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.

2. Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tanànan'i Davida.

3. Dia nivory ho any amin'ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana fahafito.

4. Ary tonga koa ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,

5. dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.

6. Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.

7. Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima;

8. fa nivelatra tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 5