Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 28:23-27 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo andriamanitr'i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan'i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.

24. Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran'ny tranon'i Jehovah sady nanao alitara teny amin'ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.

25. Ary teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.

26. Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.

27. Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 28