Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 26:2-16 Malagasy Bible (MG1865)

2. Izy no nanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany ny mpanajaka.

3. Enina ambin'ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.

4. Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy.

5. Ary nitady an'Andriamanitra izy tamin'ny andron'i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an'Andriamanitra; ary tamin'ny andro nitadiavany an'i Jehovah dia nambinin'Andriamanitra izy.

6. Ary nivoaka izy ka niady tamin'ny Filistina, dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne sy ny an'i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina.

7. Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.

8. Ary ny Amonita nandoa hetra ho an'i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin'i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.

9. Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin'ny vavahady an-jorony sy teo amin'ny vavahady mankao amin'ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.

10. Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman'ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.

11. Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan'i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin'i Hanania, anankiray tamin'ny komandy voatendrin'ny mpanjaka.

12. Enin-jato amby roa rivo no isan'ny lohan'ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.

13. Ary ny miaramila fehezin'ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin'ny fahavalony.

14. Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton'antsamotady ho an'ireo miaramila rehetra ireo.

15. Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan'ny mahay zavatra, hapetraka eo amin'ny tilikambo sy eo an-tampon'ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan'i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.

16. Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin'i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 26