Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 25:15-28 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia nirehitra tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao aza?

16. Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian'ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.

17. Ary Amazia. mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.

18. Fa Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.

19. Lazainao fa namely an'i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?

20. Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan'ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.

21. Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an'i Joda.

22. Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.

23. Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'Joasy, zanak'i Joahaza, dia nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy efa-jato hakiho ny mandan'i Jerosalema hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady anjorony.

24. Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'Andriamanitra tao amin'i Obed-edoma sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.

25. Ary ny andro niainan'i Amazia zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.

26. Ary ny tantaran'i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely va izany?

27. Ary hatramin'ny andro nihemoran'i Amazia tsy nanaraka an'i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.

28. Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin'ny razany tao an-tanànan'ny Joda.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 25