Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Tantara 18:1-16 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.

2. Koa nony ela dia nidina nankany amin'i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman'osy sy omby betsaka ho azy sy ho an'ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.

3. Ary hoy Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.

4. Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isirady; Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.

5. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho ? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotr'Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.

6. Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?

7. Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak'i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.

8. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.

9. Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.

10. Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.

11. Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.

12. Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro. fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an'ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.

13. Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain'Andriamanitro ihany no hambarako.

14. Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy.

15. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany?

16. Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.

Vakio ny toko manontolo 2 Tantara 18