Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 7:8-19 Malagasy Bible (MG1865)

8. Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.

9. Ary nomba anao tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.

10. Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha

11. sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.

12. Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;

13. dia io no hanao trano ho an'ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany ho mandrakizay.

14. Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;

15. nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.

16. Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.

17. Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.

18. Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?

19. Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon'ny olona, Jehovah Tompo ô.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 7