toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 7 Malagasy Bible (MG1865)

Ny nanirian'i Davida hanao tempoly sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany, ary ny vavaka nataon'i Davida tamin'izany

1. Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin'i Jehovah tamin'ny fahavalony rehetra manodidina azy izy,

2. dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!

3. Dia hoy Natana tamin'ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao.

4. Ary tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

5. Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako?

6. Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.

7. Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Zanak'Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen'Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo?

8. Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.

9. Ary nomba anao tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.

10. Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha

11. sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.

12. Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;

13. dia io no hanao trano ho an'ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany ho mandrakizay.

14. Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;

15. nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.

16. Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.

17. Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.

18. Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?

19. Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon'ny olona, Jehovah Tompo ô.

20. Ka inona intsony no holazain'i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny mpanomponao.

21. Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao ny mpanomponao.

22. Koa amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay.

23. Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an'ny taninao teo anatrehan'ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin'ny firenen'i Egypta sy ny andriamaniny?

24. Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.

25. Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.

26. Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.

27. Fa Hianao, Jehovah Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon'ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.

28. Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,

29. dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.