Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 23:9-21 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo, zanak'i Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery teo amin'i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin'ny Isiraely;

10. dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan'ny tànany ka efa niraikitra tamin'ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin'izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan'ny olona azy.

11. Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak'i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin'ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,

12. dia nijanona teo afovoan'io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.

13. Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin'ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin'i Davida tao amin'ny zohin'i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby teo amin'ny Lohasahan'ny Refaita.

14. Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.

15. Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady!

16. Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tamin'ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah iny.

17. Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran'ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.

18. Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, zanak'i Zeroia, no lehibe amin'izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.

19. Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.

20. Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny;

21. ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 23