Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Samoela 17:12-19 Malagasy Bible (MG1865)

12. Dia ho tonga ao aminy amin'izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin'ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin'izay olona rehetra manaraka azy.

13. Fa raha miditra an-tanàna izy, dia hitondran'ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka dia hotarihintsika ho any amin'ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao.

14. Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon'i Ahitofela ny nataon'i Hosay Arkita. Fa efa notendren'i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon'i Ahitofela, hampidiran'i Jehovah loza amin'i Absaloma.

15. Dia hoy Hosay tamin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona: Izany ka izany no hevitra nomen'i Ahitofela an'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely; ary izao ka izao kosa no hevitra nomeko azy.

16. Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin'i Davida hoe: Aza mitoetra any amin'ny fitàna any amin'ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.

17. Ary Jonatana sy Ahimaza nitoetra tao En-rogela; fa tsy sahy niseho tao an-tanàna izy; ary nisy ankizivavy anankiray nivoivoy nanambara taminy; dia lasa nandeha nanambara tany amin'i Davida mpanjaka kosa izy roa lahy.

18. Fa nisy zazalahy iray nahita azy ka nanambara tamin'i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon'olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy.

19. Ary nalain'ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan'ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala.

Vakio ny toko manontolo 2 Samoela 17