Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 9:14-28 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;

15. Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.

16. Dia niakatra teo amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama.

17. Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?

18. Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.

19. Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.

20. Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.

21. Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy.

22. Ary Jorama, nony nahita an'i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?

23. Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin'i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.

24. Ary nohenjanin'i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin'ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny.

25. Ary hoy Jeho tamin'i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:

26. Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah.

27. Ary nony hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny lalana mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.

28. Ary ny mpanompony nitondra azy tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 9