Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 22:5-15 Malagasy Bible (MG1865)

5. ary aoka hatolony ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah hanamboarany ny simba amin'ny trano,

6. dia ho an'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.

7. Kanefa tsy nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.

8. Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.

9. Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.

10. Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.

11. Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.

12. Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe:

13. Mandehana ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.

14. Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.

15. Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 22